Explications en malgache | Renirano eo afovoan' ny hetrina malalaka, anelanelan' ny rambon-tanin'
Amboditsiry sy ny an' Analamahitsy, vakin' ny arabe mianavaratra
(Antananarivo-Ambohimanga). Ny lohan' io renirano io dia any akaikin'
Andraisoro, mandeha mianavaratra ny anankiray, ary ao Ambodiakondro, mandeha
miankandrefana ny anankiray; mihaona eo akaikin' i Nanisana izy roa ireo,
ary hatreo ka mandra-pidiny amin' ilay lahindrano eo atsimon' Ivandry, no iantsoana azy ho
Andranobevava.
-- Tany aloha, raha mbola tsy voaisy fefiloha ity renirano ity, dia nanafotra ny hetrina
teo an-daniny roa ny tondraka amin' ny fahavaratra, ka manjary hoatra ny lehibe
ny vava-rano; izany no nahatonga ny anarany ho Andranobevava.
Ny nampahalaza azy indrindra anefa dia satria io no "rano" naha-avara-drano an' Avaradrano. [1.10]
|