Misy maro izao mikalo,
Tsy mba manam-pahavalo;
'Zaho kosa toa mimalo,
Toa latsain'izay mandalo.
Ao ny revo mikorisa
Eny an-dalam-paradisa,
'Zaho kosa mitanisa
Fahorian-tsy hita isa!
Ao ny voky safosafo,
Hafalia-mitafotafo;
'Zaho kosa misakafo
Sady mandry tsy amin'afo!
Ao ny mbola velon-dreny,
Manan-dray hiteniteny ;
'Zaho kosa… voa dia eny:
Singan'olona manjeny .
'Zay tazaniko rehetra
Samy lavitry ny tsetra;
'Zaho kosa manjoretra
Sy mijaly an-tery setra !
|
'Ndreo ny vorona misiaka,
Miramirana sariaka;
'Zaho kosa toa mifiaka
Ranomaso be mandriaka!
'Rony kintana misosa,
Tsy mba manana mpifosa;
'Zaho kosa! 'zaho kosa
Mitanondrika fa osa!
Volana manatri-tava,
Taratry ny fo mazava;
'Zaho kosa maizin-dava,
Tojo ny oran-tsy misava!
Ô! ry lanitra ô, avoty
Fa mahantra ity kamboty!
Zazabodo diso angoty ,
Vao nitsiry dia voaoty!
Satriko aza anio ihany
Dia hilaozana ny tany,
Ka hisidina hankany
'Lay Fanahy nosimbany.
|