... dia hitako izy irery
manjohizohy moana,
iny amoron-kady iny
ka manara-kodimirana
hatreny am-parataza-maso,
mihovitrovitry ny hatsiaka
efa lozan-tany ery,
izato nofo efa trotraky
ny vanin’andro niainany.
Hontsa azy aho,
ka nantsoiko
tam-panahiko:
Ndeha ho aiza izato ianao
hoy aho, sombintsombiny,
no mirezareza valaka
sy manjokozoko mora
amin-damba latsaka ila
ety an-tsisin-dalana,
ka miraoka ireto bozaka
ny loholambanao
izay efa rota nitafiana sy
natsifaky ny ela?
|
Natsikiny ahy ny masony
ao anaty very maso
efa vizaky ny hanina
ka nabanjiny ahy mangina
sy miresaka any anatiny
ka mitafa am-panahy
ao anaty velovelony!
Tsapako avy hatrany
fa hamonjy taninandro
etsy ambody goavy maina
fara taza-masoandro
mba hitafy ankilahila
ito nofo izay miketrona
feno sarisarim-piainana!
Nakimpiko ny masoko
nivetso an’eritreritra
ka namisavisa irery
ity sari-Nanahary
tsy ho vita hoso-doko
eny an-tanan’ny mpahay
raha tany koa ny tany.
|