LAPAN’ NY TANANAN’ ANTANANARIVO |
HOTEL DE VILLE D' ANTANANARIVO
(Traduction libre sans rime) |
Enin’ambitelopolo taona raha ny marina ka mba tsahivo |
36 années déjà, il est bon de s’en souvenir |
Tam’izay no kila sy may ‘lay Lapan’Antananarivo |
C’est à cette époque qu’un incendie ravagea l’Hôtel de ville |
Ory ny fon’ny Vahoaka nahita an’ireo donan-tsetroka |
Les colonnes de fumée attristèrent le cœur du peuple |
Any anatiny mangorohoro, te hitraotra ary koa semposempotra |
Envahi d’une rage contenue, au bord de l’asphyxie |
Vetsovetson’ny fo tam’izay no sisa reko tey : |
Se demandant, dès lors, dans de profonds soupirs : |
« Rahoviana vao mba hisy indray izay Lapa ho solon’ity ? ». |
« Quand donc cette bâtisse renaîtra-t-elle de ses cendres ? ». |
Kinanjo fe ankehitriny, tsy nisy izay nanelingelina |
Et soudain, à présent, alors que nul ne s’y attendait |
Nijoro ‘lay ANDRIN’Iarivo, nitsangana ilay RAJOELINA |
Le PILIER d’Antananarivo se dresse, le nommé RAJOELINA monte au créneau |
Nampian’ireo mpanolotsaina, nitafy ny Fanantenana |
Epaulé de ses conseillers, tous revêtus de l’Espoir |
Hanorina ilay vaovao, ho Lapan’izato Tanàna. |
Dans le but de reconstruire un nouvel Hôtel de ville. |
Dia Lapan-Tanàna mijoro, voakajy sy manara-penitra |
Un hôtel de ville nouveau, aménagé pour répondre aux normes |
Manaraka ny toetr’andro no tsara tarehy sady mendrika |
Correspondant aux technologies de ce troisième Millénaire |
Ny asa rehetra avy ao dia ho fanasoavam-Bahoaka |
Destinées à améliorer le vécu au quotidien du peuple |
Hitana ny marina hatrany, ho lavitr’izay « Ampamoaka » |
Ayant pour fer de lance la Vérité, loin de toute démagogie |
Dia ho Lapan-Tanàna anehoana ny marina miharihary |
Un hôtel de ville, comparable à la Vérité sortant du puits |
Ka ny fomba fiasa imasoana dia « Asa fa tsy mba Kabary ». |
Avec pour unique leitmotiv : acta non verba |
Ny toerana hasiana aza indray no aoka asiam-pitenenana |
Parlons à présent du lieu de cette reconstruction : |
Ka tena Kianja mitandro an’ilay Fandriampahalemana |
C’est un endroit privilégiant la Paix avec un grand « P » |
Tsy Kianjan’ny Ramatahora na fidinana an-dalambe |
Pas une place de la répression ni celle des descentes dans la rue |
Fa Kianjan’ny Fifankatiavana, ary izany no atao rehareha |
Mais une Place de l’Amour, pilier de notre fierté |
Dia Kianjan’ny Firaisankina : ekena tsy misy fandavana |
Une Place de l’Unité, de l’Union sans commentaire aucun |
Satria Malagasy miray tsy misy mifanavangavana. |
Parce que les Malagasy ne font qu’un sans nulle distinction. |
Ka raha Teloambinifolon’ny Mey no lavenona ilay teo aloha |
Si un 13 Mai, l’ancien hôtel de ville a disparu dans des flammes |
Dia Teloambinifolon’ny Mey no hajoro ialy Faharoa |
Ce sera un 13 mai que le second renaîtra de ses cendres
(Nota : cette pose avait été reportée pour le 17) |
Ka ny Dinian’ny mpifankatia no Dina ifanaovana anio |
Aujourd’hui, c’est un serment de l’Amour que nous faisons ici |
Tsy ho fihatsarambelatsihy fa tena amin’ny fo madio |
Exempt d’hypocrisie mais venant du plus profond du cœur |
Ny tanjona hany hotratrarina no sady hiaraha-mitazana |
L’objectif que nous ne perdrons jamais de vue, et que nous atteindrons |
Dia ny hasin’Antananarivo Renivohitr’ity Tanindrazana |
C’est de redorer le blason d’Antananarivo, Capitale de notre Mère Patrie |
Andriamanitra Ray ao ambony anie hitahy an’ity fikasana |
Que Dieu le Père qui est aux Cieux bénisse ce projet |
Hamita ary koa hampijoro ny Lapan’izato Tanàna ! |
Et que ce nouvel Hôtel de ville puisse réellement être érigé ! |
Rado, 10 Mey 2008 |
Jeannot Ramambazafy, 18 mai 2008 |
La Gazette de la Grande Ile, 1 décembre 2008 |