Texte | "Fa isika rehetra, hoy Ingahy Paoly Apostoly, dia samy nahazo fanomezam-pahasoavana tsirairay avy" .
Marina tokoa izany, fa tsy misy olona sahy milaza ho tsy mba nomena "fahasoavana" , na dia izay toa faraidin' olona aza.
Hoy koa manko ny Ntaolo hendry milaza izany :
"Izay tsy mahay sobiky, mahay fatam-bary" .
Tsy dia mitovy anefa ny fanomezam-pahasoavana, fa nozaraina arakaraka ny toe-tena, ny toe-tsain' ny olona izy mba hisian' ny fifanampiana sy ny fifamenoana noho ny eto an-tany tsy misy faha-tanterahana.
Ity anefa no mampalahelo :
amin' ireo nahazo fahasoavana toa manan-tombo kokoa noho ny hafa, dia ahitana sasantsasany misangaingigaingy, manindintsidina foana, mitratrevatreva, mihevi-tena "ho zavatra, tsy mana-namana, tsy manan-tsahala, tampon-dohany, ambony indrindra" .
Saingy nahazo vola aman-karena misimisy Ranona, ka dia manomban-tena ho tsy mitovy amin-dRanona ary an-trano bongo arý.
Saingy nahita fianarana misimisy Ranona, ka dia mihevi-tena "ho izaho irery no olona" .
Saingy nahazo toerana ambony ao amin' ny raharaha ataony ny sasany, ka dia mivolambolana hatraiza hatraiza fa "tsy azo inanina" .
Dia ao koa ireo tsaratsara fitafiana, mendrimendri-tokantrano, ambonimbony fianakaviana, menamenatra raha hiara-mitoetra amin' ireo toa mavomavo, toa ambanimbany.
Ary ny vao mainka mahatsikaiky aza dia ny mahita ireny olona "manandra-tena" ireny eo amin' ny fivoriana :
mamonjy ny toerana aloha;
eo amin' ny adihevitra :
manao teny jadona, teny miavona, teny manabanty ny an' ny hafa, indrindra ny an' ireo heveriny ho tsy mitovy saranga aminy;
eo amin' ny fianakaviana :
tsy azo hatonina sarotra ifampiraharahana.
Indrisy!...
Izany sasany izany, mambo-livoly fihetsehana erý amin' ny famindra, fijery, fitafy, fiteny :
fihe-tsehan' ny olona "tsy manan-tsahala" , hono! Tsaroana eto ny tenin' ny Ntaolo :
"Tampohin-tsoa, ka manevika!"
Hita amin' izay efa voalaza àry fa ny fanandratan-tena, dia tsy misaraka mihitsy amin' ny avonavona, ary ny avonavona mihantsy ny vavam-bahoaka;
"nefa tsy ny tany no fady fa ny vavam-bahoaka" ;
koa tsy mahagaga akory raha tonga mangidy hoditra amin' ny mpiara-belona aminy ireny "mpanandra-tena" ireny, ka itenenan' ny sasany hoe "Izay mikasika an' io, dia boka!"
Tsy takatry ny sasany fa tsy mampaninona ny volamena ny iraisany toerana amin' ny varahina;
ny asidra va tsy hampiavaka ny tena ha'any? Ary moa hahasimba ny famiraniratan' ny diamondra va ny iarahany mitoetra amin' ny vatokaranana?
(Rafanoharana, Ny Mpandinika, 6 Avrily 1928).
|