Texte | Ny rivotra an-kadilanana, hono, miady fo samy ho any, ka ririnin-dava mandavan-taona, manenda-damba ny mitavoravora.
E! ry rivotra, sarotim-panina ka manai-bovoka mandry, mampiriotra fako mifitsaka.
Setrasetra mba tian-katao ve, hono, sa zafikelin' Andrangoloaka ka tsy afaka amin' ny kao-drazana ? Lozan' ny be rimorimo anefa, hono, raha ditsoky ny vovoka nafafiny ny mason' ny tsy manan-tsiny!
Setriny
Rivotra aho ka rivotra.
An-tanimarina aho, manao ranomandry;
an-tendrombohitra aho, manao manga rivotra;
am-pihoarana aho manao rarangy tsy miato.
Sady aina aho no fahafatesana.
Eny an-tendron' elatry ny fikopaka no anaterako tsioka manafosafo ny endrika mivoa-dinitra, fa ny ranomasina lalovako koa no mihotakotaka
hatrany amin' ny fanambaniny.
Hilaozako dimy minitra ve ny tany? Dia fahafatesana no anaran-tokana hilazana izao tontolo izao.
Kao-drazana tsy azo avela ny anay, ka raha maso mataho-ditsoka, dia ny verimaso no ataovy marevaka, fa raha sima no mianala:
miantsinanana voky rivotra, miankandrefana manahy lela.
|