Texte |
Mihamandao, mihamisinda, ho dify izao ny fahavaratra...
Efa manga tolakandro ny lanitra tsindraindray,
Ary misy mahalankalana ny takariva soa tomaratra,
Ny alina tomefy kintana, ngaly, tony fehizay.
Efa isaina koa izany hanenoana kotro-baratra,
Tsy hita intsony ny eton-draratra mpambombambomba alahelo;
Ny sori-dalan'ny masoandro mihilana mianavaratra;
Efa mihamangoratsaka ny tara-bolana manelo
Tsy tsiaro loatra intsony ny evoky ny hafanana.
Akaiky dia ho vony vary, manatona ny fijinjana
Ka mihorakoraka eny ry zareo mpiandry fody.
Tonon-taona mampanembona ny ambanivohitry ny tena!
Mahatsiaro ery ny fo… ny an-kafa no jerena
Irery aty an-tanin'olona, manimanina te-hody.
|
|