Texte |
Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty
Fa variana miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty
Ny fitohizantsika aminy... sady isika taizany aza,
Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza !
Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !
Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina
Amin’ny taranatsika : izay no fitohizan’aina !
Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !
Nananganana tanàna ka tsy hahazo hialangalana,
Namelana fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,
Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?
Tsy hodinganina ny maty amin’ny tohatoha-miakatra
|
|