Entrée |
velarina
(velatra)
|
Partie du discours | verbe passif
|
Explications en malgache | Atsotra mivalampatra tsara: Velaro, retsy, ny tsihy hipetrahan' ny olona Sokafana: Velaro tsara ny boky ao amin' ny takila fahatelo amby roapolo Aseho hatao milamina sy milahatra tsara mba hanaitra ny mason' ny olona: Novelariny teo amoron-dalana ny entam-barony, izay nentiny avy any an-drenivohitra Hazavaina: Novelariny teo ny heviny ka niaiky daholo ny olona fa marina ny nolazainy Borahina, aseho tsy misy afenina: Velaro izay ao am-ponao fa aza misalasala [1.1]
|
Explications en anglais | To be spread out, to be unrolled [1.7]
|
Explications en français | Qu'on déploie, qu'on étend, qu'on ouvre; qu'on découvre, qu'on manifeste, qu'on montre, qu'on explique, qu'on publie: Novelariny tsara ny hevitr' izany teny izany (Il a bien expliqué le sens de ce mot) [1.3]
|
| Qu'on déplie, déroule, étend [1.8]
|
Exemples |
1 | Dia novelariny ny tsihy, dia hoy Rangahy:
[2.293]
|
2 | Velariny mitsilany ny tanany havanana amin' izay, dia mitehaka ilay itenenany.
[2.472]
|
|
Morphologie |
Présent : |
velarina,
velariko,
velarinao,
velariny,
velarintsika,
velarinay,
velarinareo,
velarin',
velarin-,
velarim-,
velari- |
Passé : |
novelarina,
novelariko,
novelarinao,
novelariny,
novelarintsika,
novelarinay,
novelarinareo,
novelarin',
novelarin-,
novelarim-,
novelari- |
Futur : |
hovelarina,
hovelariko,
hovelarinao,
hovelariny,
hovelarintsika,
hovelarinay,
hovelarinareo,
hovelarin',
hovelarin-,
hovelarim-,
hovelari- |
Impératif : |
velaro |
|
Synonymes | |
Mots composés, titres, noms |
|
|