Entrée | Lamby nefa tsy rota | |
Partie du discours | nom propre (titre de livre) | |
Sous-titre | Tranainy nefa tsy simba | |
Auteur | Razafiniaina Charlotte, 1958 | |
Editions | 1958. Imprimerie de la Mission Catholique. Hauteur: 18cm. Pages: 61. | |
Vocabulaire | Littérature: livres | |
Tableaux et planches | Tous les titres | |
unkLabel:: | (...)
Fianaran-dratsy- O ry Mbalovao a! ento aty ny lambako.- Tsy mbola vita pasoka, madama. - F'inona no nataonao no tsy vita pasoka ny lambako nefa izaho maika handeha? - Ny hafa, madama, no mbola nataoko fa tsy nampoiziko izay hoe ilainao maika izy io? - Tena mivadika atidoha izany raha olona! Ranivosoa io mamizaviza an-dRambalovao io. Lahiantitra mpiasan-dry zareo Rambalovao. Ary hatrizay hatrizay dia "idada Mbalo" no niantsoan-dry zareo azy. Nefa hatrizay nandraisan-dRanivosoa fombam-piainana hafahafa izay, dia nikorontana ny raharaha. Ka na dia ny "Ra".... teo amin'ny anaran'ity lahiantitra aza dia nakifiny. Ary tsy nihambahamba kely akory izy nivizatra azy hoe "tena mivadika atidoha" ! Ren-dRajaoarimbola tsara ny zava-niseho rehetra ka dia avy izy. - Inona izato hoe: "Mbalovao mivadika atidoha" izato ? hoy izy. - Tsy mbola voapasoko ny lamban'i madama, hoy i dada Mbalo, nefa, hono, lamba maika hoentiny hivoaka. - Fa firy moa ny lambanao, hoy Rajaoarimbola nitodika an-dRanivosoa. Tsy vola tsyeran'aina moa no efa natakalonao vorodamba tany amin'ny magazay... ka nahoana no ampivadihanao atidoha an'i dada Mbalo sy anevatevanao azy amin'izay lamba tsy voapasoka? - Io no efa nomaniko hoentina, hoy Ranivosoa, nanao teny an'orona. - Tsarovinao tsara anefa, hoy ny lahy, fa ray aman-dreny io na tsy niteraka antsika aza. Kanefa dia tsy nivandy akory ianao nanevateva an'ity lahiantitra fotsy volo. Ny fahoriany anie no tonga hanompoany ny namany e! ka tsy rariny raha hanitsaka azy noho izany ianao! - Izaho angaha manitsaka azy? hoy indray Ranivosoa, namaly tamim-peo mavanivany. - Fantatro, hoy ny lahy, fa efa nandray ny fombam-piainan' ny tanora ankehitriny ianao amin'ny fanajana. Izany hoe rehefa antitra ny olona dia heverina fa mihem-boninahitra araka ny lamaodim-piainan'ny ankehitriny. Ka ny dada tonga "ratrà" , ny neny tonga "ibaofy" ... Na oviana na oviana anefa, raha fandrosoana tsy misy fanajana dia raharahan'adala matanjaka ihany sady helohin'ny tany no tsinin' ny lanitra. Ka dia mieritrereta tsara ny velona rehetra. (...) | |
Mis à jour le 2023/04/02 |