Exemples |
1 | Ary nantsoin' Andrianampoinimerina amy ny ambaniandro indray, ny nataony
Rabemananjara teo Ambohimasina. Nony nirotsaka i Mambafohivava sy ny
zandry ny mitondra any Marovatana hiady, nony niady : namitsahany Rabemananjara
i Mambafohivava sy ny zandriny an-takonana; ka nony tofirina ka voa
iley zandry ny Mamba, ka taritiny Mamba hiakatra ny fatiny : dia hitany Rabemananjara,
dia nenjehi' ny, dia azony ny faty : dia no tarihi' ny hidina indray,
ary dia nenti' ny nanketsy Ambohidava ny faty. Ary nony ampitso ka resy Marovatana,
dia nantsoiny Rabemananjara indray i Mamba hoe: "Alao ny henanareo."
Dia loso sy ariary ny maty. Dia 200 lahy nenti' ny Mamba haka ny maty.
Nony tonga amy ny nametraha' ny azy, dia hoy Rabemananjara: "Indro ny
henanareo." Vao izay no azo ny Mamba ny fatinjandry ny.
Ary Rabemananjara natao n' Andrianampoinimerina mpitaiza andriana, fa
mpihevitra ny fanjakana ; k' izy nahavita any Merina, sy Raberesaka zanany,
sy Andriamambavola, sy Rabasivalo, sy Ramamabo; atsy Malaza no milevina izy.
[2.48]
|
2 | Rabemananjara niteraka andRaberesaka, ary Raberesaka niteraka andRamahay
[2.48]
|
|