Entrée |
diamanga
|
Mots élémentaires | dia ;
manga |
Partie du discours | nom
|
Explications en malgache | [Tanala]
daka
[1.78]
|
| Kilalao ifamelezana amin' ny tongotra araka ny fomba manara-dalàna ary ilana tanjaka sy hakingana:
Mamely diamanga. Ny diamanga izay atao koa hoe daka dia kilalaon' ny zanak' Imerina indrindra, izay nifanaovana am-bakitany taloha fa vao taty aoriandriana no lasa kilalao nifanaovan' ny tsirairay; maro karazana ny diamanga, fa dimy no malaza indrindra: ny antsatoka, ny kapatokana, ny ambadika, ny kopala, ary ny antongomby [1.1]
|
Explications en anglais | A game of kicking backwards. See daka and
tsipaka
[1.2]
|
Explications en français | [Tankarana]
Coup de pied. [1.19]
|
Exemples |
1 | Daka diamanga ireo mampijaly azy/
[2.720]
|
2 | Ndeha haingana sao mahazo diamanga eo.
[2.470]
|
3 | Nitsangana izy, ary avy hatrany dia velona ny totohondry sy ny diamanga.
[2.472]
|
|
Vocabulaire |
Mots composés, titres, noms |
|
Titres |
|
Analogues |
ambadika ~
antongomby ~
antsatoka ~
kapatokana ~
kopala |
Proverbes |
|