Texte |
Midona malefaka ery Ankaratra,
vaky tsipelana ny eny Anjafy.
Midona kanefa tsy fahavaratra,
fa erika kely no re mifafy.
Lanitra soa, tomarataratra,
otronin'ny rahona mitsitoko,
kanefa, ry lahy, iry Ankaratra
zary manjombona sy manjoko.
Ankaratra ô! nahoana kosa,
manembona ve ilay nisaraka,
ka ny tolokony miavosa
eo aminao no te-hiraraka?…
Raha manina izy ka mitomany,
lalim-pisento fa te-hiverina,
asaivo mitony hangina ihany
fa toraka izany'lay eto Imerina!
Ny sentom-pony raha tonga fatra
- ka indro mandrotika ny fanahy -
aoka hionona fa ny ratra
iombonako aminy lavitra ahy!
Tsy oram-baratra no midona, fa
fo feno hanina no miteny,
ka ny vetsom-panahiny kely foana
tsy sasa-mivezika sy manjeny.
Eny, ry rahona ery Ankaratra!
ry rahona fotsy iaraha-mijery,
meteza ianao mba ho fitaratra
hampita ny sarin'ilay miery.
Vaky tsipelana ve Anjafy
ka tsy hidoboka iry Ankaratra?
Raha izy misento ka mafimafy,
ny foko no toy ny latsaham-baratra!
|
|