Entrée |
tafatoetra
(toetra)
|
Partie du discours | participe
|
Explications en malgache | [1.1]
|
Explications en français | Qui s'est placé, qui s'est assis [1.3]
|
Exemples | Taona betsaka taoriana izany, nony efa tafatoetra tsara ny fanjaka' ny, dia nihevitra hamely ny tompon-tany izy.
[2.48]
|
Hyponymes |
|
|
Entrée |
Tafatoetra
|
Mots élémentaires | tafatoetra |
Partie du discours | nom propre (titre de poème)
|
Auteur | Razakandraina Jean Verdi Salomon |
Texte |
Tafatoetra ao am-poko miaraka aminao androany,
Ny hasambara-nokatsahiko hiononako eto an-tany!
Ny hatsaran-tarehy nohiraiko sy ny bika nokatsahiko
Tsy alaiko noho izay hitako aminao navahiko …
Sodokan’eritreritra aho izay elabe izay …
Hetahetan’ny tanteraka, afo mampiolomay
No nandoro ny fisainako! ‘zay nenjehiko kanefa
Moa tsy volavolam-bika tsy haharitra rehefa?
Fa ny hitako aminao dia ny vatosoa miafina;
Perla mamirapiratra, satry foana hotarafina
Fa mampita hazavana mampionona fanahy …
Tia ny endrikao aho, mamkamamy anao tanteraka;
Nefa mbola ambony lavitra, manan-kery haninteraka
Ny fanahy atolotrao hiara-tsambatra amin’ny ahy!
|
|
Vocabulaire |
Tableaux et planches | Tous les titres
|
|